Sabotsy 24 desambra 2016 – Sasakalin’ny Noely

FIANGONANA PROTESTANTA MALAGASY ATY AN-DAFY

«Ary i Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta hanala baraka azy, dia nikasa hisaraka aminy mangingina.»

«Joseph, son futur mari, était un homme juste. Il ne voulait pas la livrer au déshonneur. C’est pourquoi il se proposa de rompre ses fiançailles sans en ébruiter la raison.» Matthieu 1:19 BDS

Zavamaneno (Prélude)

Fiarahabana (Salutation apostolique)
AMAFI, SVK, STK (Chorale, G. des Dames, G des Jeunes)

Fiderana : (Louange)

► Salamo 92:2-6 DIEM

«Tsara ny midera Anao, TOMPO ô / sy ny mankalaza Anao an-kira, ry ilay Andriamanitra Avo Indrindra / ka manambara ny fitiavanao raha vao maraina / ary ny fahamarinanao mandritra ny alina / amin’ny valiha torifolo sy amin’ny feon-dokanga / Mahafaly ahy ny asanao, TOMPO ô / ary manao horakora-pihobiana aho manoloana ireo zavatra vitanao / Lehibe tokoa izay nataonao, TOMPO ô, ary lalina aoka izany ny fisainanao!»

 

FF 58

1. Alina masina,
Tonga ny Mpanavotra;
Indro teraka ao Bethlehema
Ny Mpanjakan’i Jerosalema,
:,: Izay mpamonjy anao :,:

2. Alina masina,
Ny anjely midina
Ka miara-mihoby hoe :
Indro ny fiadanam-be,
:,: Jeso teraka izao :,:

3. Alina masina,
Nisehon’ny Zanaka;
Ny mazava niposaka,
Ka ny tahotra afaka;
:,: Mifalia izao :,:

Vavaka fihaonana :(Priere)

FFPM 75

1. Andro malaza sady soa tokoa
‘Lay andro ‘zay nisehoan’i Jeso:
‘Zay nantenain’ny mpaminany koa
Mba hampiseho fihavanana,

Fiv : Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao;
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
;,: Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io.:,;

2.Anjely maro no nihoby tao;
Mpiandry ondry nitsaoko Azy koa.
Ny olon-kendry koa nanasina Azy,
Andeha mba hankalaza Azy izao:

Fiv : Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao;
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
;,: Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io.:,;

3. Dera sy haja no atolotray
Anao, ry Jeso ‘zay teraka anie:
Ka mba mandraisa ny fanatitray
Ho zava-mani-pofona tokoa:

Fiv : Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao;
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
;,: Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io.:,;

Soratra masina (Lectures bibliques)

Esaïe 7.10-14

FFPM 77 / 1

1. Tonga indray re ny Noely,
Andro tsara sady soa,
Jeso Tompon’ny Anjely,
Nefa nietry tena koa.
Indro tonga Zazakely
Ho sakaizanay tokoa,
Sy hamory ‘zay miely
Hody amin-dRainy koa.

 

Matthieu 1.18-25

FFPM 77 / 2,3

2. He! Ny fonay ravoravo,
Ry Noely maminay,
Fa ny Zanaky ny Avo
No nomeny ho anay.
Mba hanarina ny lavo
Sady ho fiainanay;
Feno sy mitafotafo
‘Zany hasambaranay.

3. O! ry androm-pamonjena,
Arahaba, hianao!
Olo-maro sesehena
No mifaly aminao.
Avy koa mba hitsena
‘Lay Mpamonjy soa ‘zahay
Ka ny fonay no homena
An’i Kristy Havanay.

Antsa am-panahy Cantates Spirituelles

Fanekempinoana (Tsanta) (Confession de foi)

Midera Anao izahay / Andriamanitra ô / manaiky Anao ho Tompo izahay / ny tany rehetra dia mitsaoka Anao / Rain’ny mandrakizay / Midera Anao ny anjely rehetra / ny lanitra sy ny mahery rehetra ao aminy / midera Anao lalandava ny Kerobima sy ny Serafima / manao hoe / Masina, masina, Andriamanitra/ Tompon’ny maro / manerana ny lanitra sy ny tany ny fiandrianan’ny voninahitrao / Midera Anao ny apostoly rehetra / midera anao ny mpaminany rehetra / Midera anao ny maritiora rehetra / Ny fiangonana eran’izao tontolo izao manaiky Anao / ho Ray manam-piandrianana tsy hita fetra / sy ny Zanakao Lahitokana be voninahitra / ary ny Fanahy Masina Mpampionona ny fo / Ianao no Mpanjakan’ny voninahitra/ ry Jesoa Kristy ô / Ianao no Zanaky ny Ray / Zanany mandrakizay / Raha nanolo-tena hamonjy ny olona Ianao / dia tsy nolavinao ny hateraky ny Virjina / Rehefa nandresy ny herin’ny fahafatesana Ianao / dia novohanao ny fanjakan’ny lanitra / mba hidiran’ny mino rehetra / Mipetraka ao an-tanana ankavanan’Andriamanitra Ianao / ao amin’ny voninahitry ny Ray / Mino izahay / fa ho avy Ianao ho Mpitsara anay / Isan’andro isan’andro dia mankalaza Anao izahay / ary mihoby ny Anaranao izahay / mandrakizay /. Amena . (Tsanta 11, and. 1-9,12 )

Filazan-draharaha (Annonces)

Raki-pisaorana (Offrandes)

FFPM 75 

1. Andro malaza sady soa tokoa
‘Lay andro ‘zay nisehoan’i Jeso:
‘Zay nantenain’ny mpaminany koa
Mba hampiseho fihavanana,

Fiv : Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao;
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
;,: Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io.:,;

2.Anjely maro no nihoby tao;
Mpiandry ondry nitsaoko Azy koa.
Ny olon-kendry koa nanasina Azy,
Andeha mba hankalaza Azy izao:

Fiv : Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao;
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
;,: Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io.:,;

3. Dera sy haja no atolotray
Anao, ry Jeso ‘zay teraka anie:
Ka mba mandraisa ny fanatitray
Ho zava-mani-pofona tokoa:

Fiv : Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao;
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
;,: Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io.:,;

FF40

1. C’était La Nuit du Salut
On s’en souvient à présent
Car le Seigneur très riche
Naquit en ce moment-là
C’est un Amour fort étonnant
Que Dieu a bel et bien montré

Fiv : Le coeur est rempli d’immense gaité
De joie, de bonheur éternels
On clame tout haut
La Chanson du Ciel : Haleluia !

2. C’était La Nuit du Salut
On s’en souvient à présent
J’ai conclu avec Le Seigneur
Le pacte de rédemption
A lui j’ai donné tout mon corps
Pour moi, son sang est mon rachat

Fiv : Le coeur est rempli d’immense gaité
De joie, de bonheur éternels
On clame tout haut
La Chanson du Ciel : Haleluia !

3. C’était la Nuit du Salut
On s’en souvient à présent
Des pécheurs innombrables
Héritent la belle vie
Cette nuit réconciliante
Etait porteuse de la Paix

Fiv : Le coeur est rempli d’immense gaité
De joie, de bonheur éternels
On clame tout haut
La Chanson du Ciel : Haleluia !

4. C’était La Nuit du Salut
On s’en souvient à présent
Mon Jésus s’est rabaissé
Par sa suprême pitié
O ! bel Amour rendant égaux
Les riches et les malheureux

Fiv : Le coeur est rempli d’immense gaité
De joie, de bonheur éternels
On clame tout haut
La Chanson du Ciel : Haleluia !

Fanolorana ny rakitra (Présentation de l’Offrande)

FFPM 81 / 3

3. Nofo notafin’ny Teny,
Lanitra nilaozany;
‘Ndao isika izao hankany,
Be tokoa ny lazany.

Fiv : :,: Voninahitra ho an’
Andriamanitra:,:
Amin’ny avo.

Vavaka fisaorana sy fangatahana (Prière d’intercession)

Hafatra sy Tsodrano (Envoi et benediction)

FFPM 68 / 1, 2

1. Re tokoa ny feon’anjely,
Irak’ Andriamanitra;
He! Ny teny mahafaly
Avy ao an-danitra.
Entiny ny teny tsara
Ho ety an-tany izao
Voninahitra aman-dera,
Tompo no omena Anao (in-3)
Voninahitra aman-dera,
Tompo no omena Anao.

2. Teraka any Betlehema
‘Lay Mpanjaka manan-jo,
Ka misatro-diadema,
Voninahi-tsy ho lo.
Misy ‘zao ety an-tany
Fihavanana tokoa,
Hafalian-tsy ho lany,
Fitahia-mahasoa. (in-3)
Hafalian-tsy ho lany,
Fitahia-mahasoa

 

Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina Izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay, amen. Mandehàna amin’ny fiadànana, ka manompoa ny Tompo.
(Gloire soit au Père, gloire au Fils, gloire au Saint Esprit! Comme au commencement, aujourd’hui, toujours et d’éternité en éternité! Allez dans la paix du Christ!)

Fiangonana : « Isaorana anie Andriamanitra.» (Rendons grâce à Dieu!)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *